|
Écrit par volanirina on Vendredi, 20 Novembre 2009 22:41
|
|

Iaraha-mahalala tokoa mantsy fa isika rehetra dia tena mifantoka amin'ny olona iray miaraka amin-tsika mandra-pa tonga ny fifanenana hafa, eo koa isika dia mametraka fanontaniana maro amin'ny tenan-tsika amin'ny fiarahana.
Ny tena maha-tonga azy io moa dia ny fitiavana hiova, ny mba ahafahana tsy ho diso fanantenaina, ary koa ny fitiavana mamay nefa mandalo, mbola maro tokoa ireo antony mahatonga ny fampirafesana. Ny tena fantatra fa mpampirafy moa dia ny vehivavy, tokony ho 83% ny vehivavy dia manao azy io, mety hanao ary tena manao... Ny vehivavy mandeha makany amin'ny hafa dia manana antony be dia be mety tsy mahita fahasambarana, mety koa ataony mba ahafantarany ny maha izy azy, mety ho tena fitiavana mandalo koa. Hita zany fa ny vehivavy dia mety ho mampirafy koa nefa miaraka amin'iza? Ny voalohany dia mety miaraka amin'ny olona tena tiany : olona efa niaraka taloha na ilay voaloham-pitiavany, manaraka, olona tsy misy tohiny ary ny farany mety ho namana mihintsy na mpiara-miasa aminy ! Nefa kosa dia ny fampirafesana ataon'ny vehivavy dia mandalo fotsiny ary izy ireo dia tsy mamerina intsony intsony...Ankoatra ny 15% ny fampirafesana izay tsy voahisa intsony ny fotoana nandehanany tany ankafa mba hitady fampaherezana sy fahasambarana eny an-tsandrin'ny olon-kafa. Ary tena ny efa manam-bady aman-janaka no hita fa tena maro amin'ny olona mpampirafy. Izany dia manazava ny fihetse-po ny amin'ny fanambeazan'aizana, sy ny fidiran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny asa izay tena ahafahany mahaleo-tena sy fahalalahana... Ny vehivavy sasany koa dia efa manomboka milaza fa raha lehilahy iray dia tsy afaka mahafeno 100% ny filan'ny vehivavy, fa ny antony dia ny manala azy fotsiny.

|