|
Articles |
sante
|
|
Écrit par volanirina on Jeudi, 12 Novembre 2009 06:00
|
|
Ny olona matory latsaky ny adin'ny 7 isak'alina dia betsaka kokoa ny mety azahoany fitombon'ny otrik'aretin'ny fifepohana ao aorian'ny fianakin'ny otrik'aretina isaky ny andro mangatsiaka, mihoatra ireo izay matory adin'ny 8 na mihoatra. Io fikarohana io dia navoka tamin'ny 12 janvier tao amin'ny vaovao mipetraka tao amin'ny "journal Archives of Internal Medicine", mampiseho ny tsy fahampian'ny torimaso eo amin'ny fitaovana mpiaro amin'ny aretina. Ny fikarohana dia nataon'ireo mpikaroka tao amin'ny "Université Carnegie Mellon de Pittsburgh", tany Etats-Unis, natao tamin'ny vehivavy 153 sy lehilahy tena mbola salama tsara, tokony ho 37 taona, teo amin'ny taona 2000 sy 2004. Ny mpandray anjara dia nanontaniana isan'andro nadritra ny roa herin'andro mba ahafantarana ny isan'ny ora fatoriany isak'alina, ny tahan'ny andro tena fatoriany marina sy ny andro fangalany aina.

Teo ihany koa ireo mpikaroka dia nahita ny fisin'ny otrik'aretina nitovy. Dimy andro taty aoriana, ireo mpandray anjara dia samy nisy famantara ny aretina avokoa, dia ny "pélèvement de mucus" tao anaty orina dia natao. 28 andro avy eo, ny fangalana sationany amin'ny rà koa dia natao ka nahafahana nahita fa ny sela mpiaro ny vatana dia hita fa tay dia misy. Ny vokany dia nahitana fa ny olona natory latsaky ny 92% ny alina dia manana vintana 5 sy tapany mihoatra ny olona madory 98% na mihoatra. Amin'izao fotoana izao, ny mpikaroka dia mbola tsy nahita ny fanazavana mazava amin'io vokany io. Fa mamporisika ny olona hatory adin'ny 7 na 8 isak'alina mba tsy harary.
|