|
Articles |
cuisine
|
|
Écrit par volanirina on Mercredi, 25 Novembre 2009 07:59
|
|
Ovy salantsalany 12 isa karoty 7isa sira iray tsongo tanana dipoavatra iray tsongo tanana herbes de provence iray tsongo tanana dibara 1 sotro finanana tongolo gasy 1 tongolo vodiny 1
Ho an'ny atody ndray : Atody 12 isa Ny fomba fikarakarana azy ndray :
Dingana 1 Tetehina sy sasana tsara ny ovy.
Dingana 2 tetehina madinika sy sasana ny karoty.
Dingana 3 Hepoina ny dibera. sasana sy tetehina madinika tsara ny tongolo vodiny. Arotsaka ny karoty voatetika boribory. Ary avela ho mahazo loko tsara.
Dingana 4 Arotsaka ao koa ny ovy, ary afangaro tsara.
 Rehefa vita zay dia asina sira sy dipoavatra ary herbes de provence avy eo alefa ao ny tongolo gasy, afangarona tsara indray. Araha-maso tsara ny fahamasahany dia avy eo somary asina rano kely. Mandritra izany dia atao koa ny dingana hafa
Dingana 5 Endasina ny atody.
Ny fomba fanaovana ny atody ndray, atao ao anaty lovia boribory dia kapohina aingana, asina sira sy dipoavatra ary afangarona tsara. Eo koa dia afanaina ao anaty lapoaly ny dibera, rehefa mafana dia araraka ao ny atody.
Ny dingana farany Afaka aroso : ary atao ao anaty lovia madio tsara.
|