|
Articles |
beaute
|
|
Écrit par volanirina on Vendredi, 06 Novembre 2009 07:16
|
|
Voalohany atao, mividy "soin lissant" mba ahafahana manala ny vakivaky amin'ny volo. Io "soin" io dia atao mba ahafahana miomana amin'ny fanaovana ny volo. Ny tokony atao faharoa, maka "soin hydratant" atao amin'ny loham-bolo mba ahafahana manala ny tapatapaka ary mba iarovana azy. Ny tena tsara dia atao amin'ny volo mando. Fahatelo atao, ny "brushing". Amaino tsara ny volo aloha amin'ny seriveta avy eo alaivo ny fanamainam-bolo. Aza mampiasa "brosses rondes".
Na, ampiasaho ny fanatsorambolo. Tandremo tsara ny fampiasana azy, ny eo ambonin'ny loha no tena atao tsara, mba ahafahana manisy ny lanjany tsara eo amin'ny vola sady tsy dia mampy botsina azy. Farany, asina "laque" ny vahambolo rehetra mba ahafahana miala amin'ny fiorongoron'ny volo indrindra amin'ny andro fahavaratra.
|