Warning: Parameter 1 to modMainMenuHelper::buildXML() expected to be a reference, value given in /var/www/vhosts/vaiavy.com/httpdocs/libraries/joomla/cache/handler/callback.php on line 99
Ny fanatsorana volo céramique, nandramako ho anareo PDF Imprimer Envoyer
(0 votes, average 0 out of 5)
Articles | beaute
Écrit par volanirina on Jeudi, 26 Novembre 2009 06:49   

Izaho koa dia tsy tia loatra ny mampiasa brushing izay mandany fotoana maro nefa afaka ora vitsivitsy dia efa hita ihany ilay mioringorina amin'ny volo. Eo koa moa ny lisseurs izay mandoro ny volo dia tena nieritreritra tsara aloha izaho izay vao nividy anankiray. Teo koa moa ny lamody amin'ny volo mihiditra no sady tsotra tsara dia tena naleoko nividy iray ihany. Misy modely mihintsy ho an'ny volo somary maina.

Ny tombony :
- fotoana kely fotsiny dia efa hita ny vokany tena ao tsara. Mitsotra sy mihindritra tsara ny volo, hatramin'izay aho dia tsy nahita vokany ohatran'io hoe tamin'ny séchoir.
- Na dia teo aza ny somary tsemboka na mivadibadika rehefa amin'ny alina dia tsy niova mihitsy ny voloko.
- Sady afaka hanaovana izay tiana koa e! Na ny mitsotra, na ny somary mibotsina, na ny sisiny ohatra ny onja aza, tena fahasambarana eo amin'ny fanaovam-bolo mihitsy.
- Rehefa avy nandalovan'ny lisseur iny ny volo dia tena mangirana sy mipetraka tsara.

Ny indro kely nefa :
- Raha manana volo somary majinijinika iny dia voatery ampiasa séchoir ihany amin'ny fanamainana raha tsy izany dia tsy mety.
- Mandany lera koa izy amin'izay karazam-bolo izay
- Manapatapaka volo ihany koa, fa mila faranana kely matetika ny volo.
- Rehefa mampiasa azy dia tandremana tsara ny sofina tsy ho may.
Ny fanatsorana volo céramique, nandramako ho anareo
Ny azoko hamarana azy angamba dia tena tsara ny volonao refa atao aminy. Ary tsy tokony hampiasa matetika loatra satria tena manimba ihany koa izy raha atao isan'andro.

 

 

Ajouter un Commentaire


Code de sécurité
Rafraîchir

Members Login

Recherche

partagez à vos amis

Add to: JBookmarks Add to: Facebook Add to: Webnews Add to: Buzka Add to: Windows Live Add to: Icio Add to: Ximmy Add to: Oneview Add to: Kledy.de Social Bookmarking Add to:  FAV!T Social Bookmarking Add to: Favoriten.de Add to: Seekxl Add to: Social Bookmark Portal Add to: BoniTrust Add to: Power-Oldie Add to: Digg Add to: Del.icoi.us Add to: Reddit Add to: Upchuckr Add to: StumbleUpon Add to: Slashdot Add to: Netscape Add to: Furl Add to: Yahoo Add to: Blogmarks Add to: Diigo Add to: Technorati Add to: Newsvine Add to: Blinkbits Add to: Ma.Gnolia Add to: Smarking Add to: Netvouz Add to: Spurl Add to: Google Add to: Blinklist Information

evenements

No current events.