|
Malaika ery izy ireo sady mazoto mampiasa karazana akora mba hahazoana fitomboana kely, kanefa ireo karazana akora ireo dia tsy dia mandaitra loatra amin'ny ankapobeny.
Soa ihany, fa ny fandidina dia nahavaha ny olana ary nahafahan'izy ireo misafidy ny haben'ny tratra izay iriny. Zany hoe, tena fivoarana lehibe eo amin'ny fitaizana eo amin'ny hatsaram-bika sy ny hatsaran-tarehy nefa kosa manana ny lafi-ratsiny izay misakana ny vehivavy tsy hiroso aminy. Ny fandidina dia tsy azo hiverenana ary ny fanantanterahana azy dia miaraka amin'ny fanadotoana ny vatana iray manontolo mba tsy hahare ny faharariana, ka mila ny fitoerana andro maromaro eny amin'ny ôpitaly, ny fanaintanana dia matetika sarotra zakaina ary maharitra andro maromaro, ary tsy ho vitsy tokoa ny olatra.

D’après les patientes les douleurs sont très supportables et la cicatrice ne se voit plus après quelques jours.
Soa ihany, fa nisy ny fampitomboana nono tsy mila fandidina dia ny "Macrolane" izany. Izy io dia karazana menaka azo avy amin'ny acide hyaluronique efa nampiasain'ny fitsaboana estetika mba hanalàna ny kentron'ny endrika sy ny fiovan'ny vatana (ohatra amin'izany ny tsy fifanitsin'ny tratra, sy ny fitombenana).Ankehitriny, io karazana menaka io dia manabe ny nono amin'ny alalan'ny fanindromana azy anaty ozatra sy ny oditra.Ny tena lafi-tsarany dia ny fanindromana tsotra miaraka amin'ny fanadotoana ny faritra hotsindromina, afaka manohy ny zavatra ataony ilay marary ao aorian'ny fandidina izay maharitra 30 minitra monja. Araka ny filazan'ny marary dia azoazo ny fanaintainana ary ny olatra dia manjavona afaka andro vitsivitsy.
Ny lafi-ratsin'ny "Macrolane", dia mikorontana anaty, izany hoe tafiditra tsikelikely manerana ny vatana. Miverina amin'ny laoniny tsikelikely ao anatin'ny iray taona ny haben'ilay tratra, izany hoe, mila averina ny fandidina izay somary lafolafolafo ny sarany.Io lafiratsiny io dia mety ho tombony ho an'ny vehivavy sasany, satria raha sendra tsy afa-po izy ireo, dia hiverina amin'ny haben'ny tratrany tamin'ny voalohany.
"Macrolane" ihany koa dia ampiasaina amin'ny toeran-kafan'ny vatana indrindra ny fitombenana mba hahafahana manitsy azy sy hahazoany endrika tsara,ary koa manitsy ny fiovan'ny vatana (nono kely loatra nohon'ilay ohatra teo aloha).Io fomba io dia efa misy any amin'ny klinika izay tsy dia vitsy any Frantsa satria vokatry ny fikarohana dia tsy miteraka loza ho an'ny fahasalamana ary tsy hatahorana ho tratran'ny aretina omamiadana. Ary koa, ny vehivavy izay nanao ny "Macrolane" dia afaka mampinono lavitry ny olana ny zanany ary tsy misy fiantraikany any amin'ny nono ho an'ny zaza sy ny haben'ny tratra.
Cette technique n’est donc pas efficace pour celles qui cherchent une augmentation importante et permanente, mais bénéfique pour celles qui veulent galber leurs poitrines et gagner un peu plus de volume pour un effet très naturel sans douleurs et sans hospitalisation.
Io fomba izany dia tsy dia mandaitra loatra ho an'ireo izay mila fitomboana lehibe sy maharitra, fa mety ho an'ireo izay te hanitsy ny tratrany sy mba hampitombo kely ny habeny amin'ny endrika natoraly lavitry ny fanaintanana ary tsy misy fidirana ôpitaly.
|